Izao no lazain’ny Baiboly masina: “Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany” (Apokalipsy 20:12). Io andalan-tsoratra masina io maneho antsika fa Andriamanitra dia mitahiry sy mahafantatra izay ataontsika rehetra.
Joshua Harris, tovolahy izay any amin’ny firenena Maryland any Etazonia, nivahiny andro vitsy tao Porto Rico izay nahazahoany nofy ny alina izay nivahinianany tao. Rehefa nieritreritra izy dia nahatsapa fa nataon’ Andriamanitra izany nofy izany noho ny tsy fahatokiany. Ilay nofy dia nampatsiahy azy ny herin’I Jesosy sy ny rany izay nanova ny fiainantsika. Tianay indrindra ny mizara aminareo ny tantarany.
***
Ilay efitrano
Eo anelanelan’ny fifohazana sy ny nofy aho dia nahita ny tenako tao amin’ny efitrano fatoriana. Tsy nisy zava-mahatalanjona tamin’izany, afa-tsy ny rindrina iray izay rakotra kabinetra firaketana. Izy ireo dia mitovy amin’ny an’ny trano famakiam-boky izay manangana lohateny araka ny mpanoratra na araka ny lohahevitra araka ny abidia. Na izany aza, ireo rakitra ireo, izay mivelatra hatrany amin’ny gorodona ka hatrany amin’ny valindrihana ary toa tsy misy fetra na aiza na aiza, dia nanana lohapejy maro be. Ny tena nanintona ny masoko rehefa nanatona ny rindrina aho dia ilay misy marika hoe “Zava-vavy tiako”. Noho izany dia nanokatra ity rakitra ity aho ary nanomboka namadika ny pejy. Nohidiako tampoka ilay izy: taitra aho, satria hitako fa fantatro ny anarana tsirairay.
Na dia tsy nisy nilaza izay nisy ahy aza dia efa fantatro tsar any toerana misy ahy.
Ity efitrano tsy misy aina, miaraka amin’ireo rakitra keliny, dia karazana katalaogy teo amin’ny fiainako izay nandrakitra an-tsoratra ny zavatra nataoko isan’andro. Na ny asa kely na ny lehibe dia voarakitra ao anatin’izany amin’ny antsipiriany ka tsy afaka mifanandrify aminy ny fitadidiako.
Noho izany, nifangaro tamin’ny horohoro ny fahatsapana mahagaga sy ny fahalianana ary nanelingelina ahy rehefa nosokafana kisendrasendra ireo rakitra mba hahitana ny ao anatiny. Ny rakitra sasany dia nanome ahy ny fahatsapana fifaliana sy fahatsiarovana tsara, fa ny hafa kosa nahatonga ahy ho menatra sy nanenina.
Mafy tokoa ireo fihetseham-po farany ireo ka nijery ny manodidina ahya aho sao misy olona manara-maso ahy. Nisy fisie iray mitondra ny lohateny hoe “Namana” dia teo akaikin’ny iray mitondra ny lohateny hoe “Namana novadihiko”.
Ny lohatenin’ny rakitra dia nanomboka tamin’ny mahazatra ka hatramin’ny hafahafa tanteraka. Ohatra, “Boky novakiako”, “Lainga nolazaiko”, “Fampiononana nomeko olona”, “Vazivazy nampifalifaly ahy”. Ny lohateny hafa, etsy ankilany, dia saika mahatsikaiky amin’ny fahamarinany, toy ny hoe “Zavatra nodradraiko tamin’ireo rahalahiko”. Ny hafa tsy mahafinaritra loatra “Zavatra nimonomononako tamin’ny ray aman-dreniko”. Tsy nanakana ahy tsy hiraharaha mihitsy ny votoatin’ireo rakitra ireo. Matetika, mifanohitra amin’ny nantenaiko, dia nisy karatra maro tao anatin’ireo rakitra ireo. Indraindray dia maro noho izay nantenaiko aza
Tohina mafy tamin’ny tena refin’ny fiainana niainako hatramin’izay aho. Nanontany tena aho hoe tamin’ny fomba ahoana no nahafahako nanoratra ny tsirairay amin’ireo karatra an’arivony, na an-tapitrisany maro, tao anatin’ny roapolo taona. Nanamafy izany fahamarinana izany anefa ny karatra tsirairay. Satria ny karatra tsirairay dia nosoratan’ny tanako ary nitondra ny soniako.
Rehefa nosintoniko ilay rakitra mitondra ny lohateny hoe “Ireo Hira nohenoko”, dia hitako fa nitombo ireo rakitra mba handraisana ny ao anatiny. Nafenina mafy tao anatin’ilay rakitra ireo karatra, saingy na dia taorian’ny fiparitahana roa na telo metatra aza, dia tsy hitako ny faran’ilay rakitra. Nanakatona azy aho, menatra, tsy noho ny kalitaon’ny mozika, fa noho ny fotoana lany nasehon’ilay rakitra.
Rehefa tonga teo amin’ilay rakitra mitondra ny lohateny hoe “Eritreri-dratsy aho”, dia nanomboka natahotra aho. Iray santimetatra monja no nosintoniko, tsy nieritreritra ny hanamarina ny habeny aho. Navoakako ny karatra iray ary dia nangovitra aho rehefa nijery ny vontoatiny amin’ny antsipiriany. Narary aho nieritreritra hoe nisy fotoana toy izany nosoratana tao.
Tampoka teo, dia nahatsapa fahatezerana mafy aho. Tamin’izay fotoana izay, dia eritreritra iray monja no nanenjika ahy: “Tsy tokony hisy hahita an’ireo karatra ireo mihitsy! Tsy maintsy hamotika azy ireo aho!” hoy aho anakampo. Nikoropaka aho, nosintoniko ilay rakitra. Tsy nampaninona ahy intsony ny habeny. Tsy maintsy nofoanako ilay izy ary nodorako ireo karatra na inona na inona lanjany. Na izany aza, rehefa nihazona an’io rakitra io tamin’ny tendrony iray aho ary nanomboka nanipy azy tamin’ny tany, dia hitako fa tsy vitako ny nanala karatra iray. Noho ny famoizam-po dia namoaka karatra hafa indray aho. Rehefa nanandrana nanapaka azy aho dia tsapako fa mafy toy ny vy ilay izy.
Ka resy sy tsy afa-manoatra mihitsy aho. Naveriko tany amin’ny toerana niaviany ilay rakitra. Taorian’izay dia napetrako teo amin’ny rindrina ny handriko, nisento lava noho ny faharesena. Avy eo aho dia nahita rakitra mitondra ny lohateny hoe “Ireo Olona Nozaraiko ny Filazantsara.” Namirapiratra kokoa noho ny an’ny rakitra hafa manodidina azy ny tahony ary saika tsy nampiasaina. Nosintoniko io rakitra io ary nisy boaty kely iray, enina na fito santimetatra monja, latsaka teny an-tanako. Afaka nanisa ireo karatra tao anatiny tamin’ny rantsantanana iray aho.
Dia nirotsaka ny ranomasoko. Nanomboka nitomany aho. Noho ny fitomaniana be loatra lasa naharary ahy ny kiboko ary nangovitra ny tenako manontolo. Nandohalika nitomany aho. Nitomany noho ny henatra, dia ny henatra mihoa-pampana noho ny nataoko rehetra. Toa nihozongozona teo anoloan’ny masoko feno ranomaso ny filaharan’ny kabinetra. “Tsy tokony hisy hahalala mihitsy fa misy io efitrano io. Tsy maintsy manidy azy aho ary manafina ny lakile”, hoy aho anakampo.
Rehefa ritra anefa ny ranomasoko dia nahita olona tao amin’ny efitrano aho. Hoy aho anakampo: “Tsia, azafady, aleo tsy izy, tsy eto ka! Olona hafa, fa tsy Jesosy!” Tsy afa-nanoatra aho fa nijery azy rehefa nanomboka nanokatra ireo rakitra sy namaky ireo karatra Izy. Tsy nahajery ny fihetsiny aho. Rehefa niezaka nanandratra ny masoko aho ka nijery ny endriny, dia nahita alahelo lalina noho ny ahy teo amin’ny tavany aho. Toa nahita rakitra boaty ratsy indrindra Izy. Nahoana izy no tsy maintsy namaky azy rehetra?
Farany, nitodika izy ary nijery ahy, izay nisy ahy teo ampitan’ilay efitrano. Ny fijeriny feno fangorahana nibanjina ahy. Mahagaga fa tsy nampaninona ahy mihitsy izany famindram-po izany. Tamin’izay fotoana izay dia niondrika aho, nanafina ny endriko tamin’ny tanako, ary nanomboka nitomany aho. Afaka nilaza tamiko ny karazana fananarana rehetra izy. Fa Jesosy, tsy niloa-bava akory , dia niara-nitomany tamiko.
Nitsangana izy, niverina nankeny amin’ny rindrina nihazona ireo antontan-taratasy. Nanomboka teo amin’ny faran’ny efitrano iray izy dia namoaka rakitra iray ary nanomboka nanao sonia ny anarany teo ambonin’ny anarako tamin’ny karatra tsirairay. “Tsia!” Nihiaka aho, nandeha nanatona azy. “Tsia, tsia,” izay no hany azoko tenenina rehefa naka ilay karatra teny Aminy. Tsy tokony ho hita amin’ireo karatra ireo mihitsy ny anarany. Fa voasoratra tamin’ny penina mena. Mena midorehitra. Ny anaran’i Jesosy dia nanarona ny anarako. Nosoratana tamin’ny rany izany.
Noraisiny tamim-pitiavana ilay karatra. Nanohy nanao sonia ny hafa izy tamin’ny tsiky mampalahelo. Tsy azoko an-tsaina mihitsy hoe ahoana no fomba nahatongavany tany haingana be. Fotoana fohy taty aoriana, nihevitra aho fa naheno azy nanakatona ny rakitra farany, dia niverina tamiko Izy. Napetrany teo an-tsoroko ny tanany, ary hoy izy: “Vita”.
Dia nitsangana aho ary nentiny nivoaka ny efitrano izay Tsy nisy hidin-trano ny varavarana satria mbola nisy karatra banga tokony hofenoina.
The Room—Copyright 1995—New Attitudes/Joshua Harris
***
Efa mba nanontany tena ve ianao hoe ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fiainanao? Hoy i Jesosy: “Amin’ny andro fitsarana dia hampamoahina ny olona ny teny foana rehetra izay lazainy.” (Matio 12:36). Raha ny marina amin’ny tenantsika dia tsy maintsy miaiky amim-panenenana sy alahelo isika fa tsy nahomby tamin’ny noheritreritintsika sy ny nataontsika. Indray andro, isika koa dia ho menatra noho ny eritreritra sy ny asa miafina nataontsika. Hoy ny Baiboly ao amin’ny Romana 2:16: “Amin’ny andro izay hitsaran’Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ny olona, arak any filazantsarako amin’ny alalan’I Jesoa Kristy”. Nitory toy izao ny apostoly Petera: “Koa mibebaha, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy ny andro famelombelomana avy amin’ny Tompo.” (Asan’ny Apostoly 3:19). Nosasan’i Jesosy ve ny fahotanao, sa mbola manaraka anao ihany izy ireo ankehitriny?
Te ho afaka ve ianao? Vesaran’ny eritreritra sy ny zavatra taloha ve ianao? Mavesatra ao am-pontsika sy ny fiainantsika ny fahotantsika. Hoy ny Baiboly: “Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.” (1 Jaona 1:8). Ary hoy koa izy: “Fa fahafatesana no tambin’ny ota; fa fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 6:23).
Jesosy dia manolotra antsika famelan-keloka. Tonga teto an-tany Izy ary nandatsaka ny rany ho an’ny mpanota rehetra. Tanteraka ankehitriny ny drafitry ny famonjena. Te ho sitrana ve ianao? “Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.” (Jaona 8:36). (Salamo 51) Mankanesa any amin’i Jesosy izao! Mibebaha ary miaiky ny fahotanao. “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela azy sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.” (1 Jaona 1:9). Matokia an’i Jesosy hitarika anao ho amin’ny fiainana mahafa-po miaraka Aminy. Haneho anao ny lalana tokony halehanao amin’ny fiainanao andavanandro izany.