Ny Baiboly dia manome antsika ny drafitra ho an’ny trano iray tsara tarehy sy mafy orina ary mahafinaritra ny rivotra iainana. Ny tokantrano dia mety ho toerana firindrana sy fahafaham-po, na fihenjanana sy fifandirana. Sambatra sy matanjaka ary mahazaka ny tafio-drivotra ve ny ankohonanao? Ny tokantrano dia vondrona sosialy manan-danja. Voatendrin’ny sitrapon’Andriamanitra izany ho amin’ny fivoarantsika ara-panahy, ny fahasalamantsika ara-pihetseham-po ary ny fahatanterahan’ny vatana. Ny drafitr’Andriamanitra hatramin’izay dia ny hoe tokony hitondra fahasambarana ho an’ny tsirairay ny olona ao an-tokantrano ary tokony hiaina mifanaraka amin’izany ny fianakaviana. Nahoana ary ny tokatrano maro no tsy sambatra Ny fanambadiana ao amin’i Tompo
Reraka sy manahy izao tontolo izao. Mila tari-dalana sy fitarihana, fiarovana ary fahatokiana isika. Ny zavatra ilaintsika sy iriantsika dia ny saina milamina. Fiadanana, tena harena! Mety ho hita ao amin’ny tontolo feno fifandirana sy famoizam-po, korontana sy korontana ve izany harena izany? Ilay lehilahy mikorontana Na dia mety tsy nahafantatra izany aza ianao, dia mety ho ny ota no antony mampanahy anao. Maro ny olona no mikaroka ny zavatra ivelany sy ny zavatra ara-nofo mba hahitana fiadanana. Ilay tontolo mikorontana no omen’izy ireo tsiny noho ny sainy mikorontana. Tsy vonona ny hijery ny ao am-pony anefa izy ireo.
Izao no lazain’ny Baiboly masina: “Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany” (Apokalipsy 20:12). Io andalan-tsoratra masina io maneho antsika fa Andriamanitra dia mitahiry sy mahafantatra izay ataontsika rehetra. *** Ilay efitrano Na dia tsy nisy nilaza izay nisy ahy aza dia efa fantatro tsar any toerana misy ahy. The Room—Copyright 1995—New Attitudes/Joshua Harris ***
Manana vaovao tsara ho anao aho! Misy olona iray afaka hanampy anao. Afaka ny hamela ny fahotanao izy ary hanome anao fahasambarana maharitra. Jesosy no anarany. Mamelà ahy ary hilazalaza aminao ny momba azy. Ny Rainy dia Andriamanitra, Ilay nahary izao tontolo izao. Izy no namorona ahy sy ianao. Andriamanitra dia tia antsika. Tia ny rehetra eto amin’izao tontolo izao izy. Tena tia antsika izy ka nandefa an’I Jesosy, Ilay zanany lahy tokana teto amin’izao tontolo izao. Rehefa tety an-tany Jesosy dia nanasitrana ny marary ary nampionona ny malahelo. Nampahiratra ny mason’ny jamba izy. Nampianatra zavatra maro ny olona izy.
Jesosy namanao Mamèla ahy ary hanambara aminao ny momba Azy. Vakiantsika ao anaty Baiboly ny tantara. Ny Baiboly dia marina. Tenin’Andriamanitra. Andriamanitra no nahary izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Andriamanitry ny lanitra sy ny tany Izy. Izy no manome aina sy fofon’aina ny zavatra rehetra. Tonga tety an-tany Jesosy tamin’ny alalan’ny zazakely. Josefa sy Maria no dada sy mamany tety an-tany. Teraka tany an-tranon’omby Izy. Hiverina indray Izy indray andro! Hitondra ireo rehetra mino Azy ho any an-danitra Izy.
Jesosy ilay Mpiandry marina Ny tantara manaraka manambara ny fitiavan’i Jesoa sy ny fikarakarany ny olona rehetra. Nisy mpiandry ondry iray nanana ondry zato. Tiany ny ondriny ary niandry azy ireo teny amin’ny lohasaha nahafinaritra tany an-tendrombohitra izy. Ny lohasaha dia toerana azo antoka fa ny tendrombohitra kosa dia nampidi-doza. “Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, mampandry ahy eo amin’ny ahi-maitso Izy mitondra ahy eo amin’ny loharano fialan-tsasatra izy” (Salamo 23:1-2). Ilay ondry iray very Ny mpiandry ondry mitady ny ondriny Voavonjy ilay ondry